Mois : mai 2026

INDRAY MIJERY

Hikarakara ny fankalazana miavaka ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana, ny 05 sy 06 jona 2026, eny amin’ny Parvis Analakely, ny CUA sy ireo minisitera tompon’andraikitra. Hetsika hampifanakaiky ny fikarohana siantifika sy ny vahoaka. Hanentanana ihany koa ny tanora, indrindra ny mpianatra eny amin’ny oniversite, izany. Ho fanatsarana ny […]

Famoahana kopia : Mampitarazoka ny asa ny fahanteran’ny fitaovana

Ny fitaovana efa tonta sy tsy mahazaka ny filàna intsony no mahatonga ny fahatarana amin’ny famoahana kopia amin’izao fotoana. Io ny fanazavana nentin’ny tomponandraikitry ny kaominina An­tananarivo Renivohitra manoloana ny fitarazohan’ny asa famoahana kopia nahaterahana eny amin’ny boriborintany. Efa tranainy ny ordinatera sy ny kojakoja miaraka aminy, toy ny serveur, […]

Mananjary : Tranga voajanahary ny fiakaran’ny ranomasina

Nanaitra ny mponin’i Mananjary ny fiakaran’ny ranomasina tampoka tsy nisy fampitandremana voaray ny maraimbe, ny sabotsy teo. Nitondra fanazavana ny sampandraharaham-paritry ny toetry ny andro ao Vatovavy mahakasika io fiakaran’ny ranomasina tany an-toerana io. “Nifanojo tamin’ny fisian’ny alondrano antonony avy any atsimo ny fotoan’ny fiakaran’ny ranomasina tamin’io sabotsy maraina io, […]

CSB sakaizan’ny tanora : Fahitalavitra 200 hanatsarana ny fahasalamana ara-pananahana

Vatsiana ara-pitaovana ny tobim-pahasalamana sakaizan’ny tanora. Hanampy amin’ny fanazavana momba ny fahasalamana ara-pananahana ireo fahitalavitra 200 haparitaka manerana ny Nosy ireo. Fahitalavitra miisa 200 sy kojakoja miaraka aminy, toy ny kits solaires (panneaux solaires, convertisseur, batteries, régulateur de charge, fil 25m, stabilisateur) sy “flash disque” misy horonantsary fanentanana maro samihafa. […]

Sport Rugby- “XXL Top 12” : Ratsy toerana ny Savony, STM

Notontosaina omaly, teny amin’ny Kianja Makis Ando­hatapenaka, ny andro fahavalon’ny fiadiana ny ho tomponda­kan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Somary ratsy toerana ao amin’ity fifanintsanana ity ny STM. Resin’ny klioban’ny Cheminot na Besetroka, tamin’ny isa 38 no ho 27, ry zareo, omaly. Raha hiverenana ny fihaonana, nanindry tanteraka ny […]