Mois : mai 2026

Fankalazana JME : Fiaraha-miasa AJE sy ny Mesupres

Hiavaka! Mikarakara ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana ny minisiteran’ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana siantifaka (Mesupres). Nambaran’ny Talen’ny fanantanjahantena sy ny kolotsaina ao aminy, ny Dr Souleman, fa andiany voalohany ity hotontosaina ity, ary iarahana amin’ny mpiara-miom­bon’antoka maro samihafa, toy ny Fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny […]

Famatsiam-bola iraisam-pirenena : 2 miliara dolara tsy nampiasaina

Mavesatra loatra ny fikarakaran’ny fanjakana ny antontan-taratasy mahatonga ny vola avy amin’ny Vondrona iraisam-pirenena tsy nampiasaina ara-potoana. Mila havaozina ny fomba fiasa, raha ny fanazavan’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Nitatitra ny fihaonany tamin’ny Banky iraisam-pirenena (BM) sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) tany Etazonia farany teo, omaly, ny minisitry […]

FANTINA sy FINTINA

Miompana amin’ny fanomezana malalaka ny vehivavy sy ny tanora hiditra anaty tontolo politika sy fampandrosoana ny firenena ny fanaovan-tsonia nandritra ny “Sommet Mahasaky Women and Youth”. Tafiditra ao anatin’izany ny demokrasia, ny fampandraisan’anjara ary ny fampivelarana ny tanora sy ny vehivavy. Mitaky ny hametrahana mazava ny drafitra iton­drana ny Fanavaozana […]

Diplaomasia : Nampitoviana tadin-dokanga ireo ambasadaoro vaovao

Noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Alice N’Diaye, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, omaly, ireo ambasadaoro malagasy dimy vaovao voatendry tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 28 avrily lasa teo. Eo ny ambasadaoro isany Rabemahefa Michel hiasa ny Frantsa; Randriamiandrisoa Edelin Calixte, any Soisa, sady solontena maharitra eo anivon’ny Firenena mikambana any […]

Samy milomay

Mandeha tsikelikely ny firosoana any amin’ny tetezamita ka ahafahana manatanteraka ny fifidianana. Efa nivoaka ireny ny datim-pifidianana vonjimaika. Hanao fitsapan-kevi-bahoaka sy hifidy izay ho filoham-pirenena ny Malagasy amin’ny taona ho avy. Efa mipetrapetraka ny fanomanana, hoy ny vaomiera mahaleo tena misahana izany. Miandry ny ankolafin-kery hafa sisa satria mbola miandry […]