Manamafy ny fanohanany ny firenena afrikanina toa an’i Madagasikara ny firenena Rosianina, ankehitriny. Anisan’ny ifantohan’ny fiaraha-miasa ny ady amin’ny asa fampihorohoroana sy ny ara-miaramila. Miaramila malagasy 140 no nanaraka fiofanana, ka nahazo ny mari-pahaizana tamin’ny fahaiza-mitifitra, ny fampiasana « drônes », sns. Manamafy ry zareo rosianina fa mijoro ho sakaiza mahatoky. Anisan’ny […]
Mois : mai 2026
SYNAD: Olana ny tsy fampiharan-dalàna
“Tsy hoe ratsy ny fitsinjaram-pahefana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny sendikan’ny administratera sivily (Synad), Rakotondramanana Solofotahina Lalaina, teny Anosy, omaly, momba ny fitsinjaram-pahefana mahabe resaka amin’izao. Tamin’ny fitondran’ny Pr Zafy Albert, Repoblika III, nisy ny lalàna 94-007 sy ny 94 -008. Misy ny lalàna, fa tsy nampiharina. Aoka tsy hohadinoina […]
Sanganasan’i Bessa sy Lôla: Haverin’i Farakely sy i Rija Ramanantoanina
Efa nisy tamin’ny taona 2023… Ary hita fa tsara sy be mpankafy izany, ka hiverenana indray. Ilay fampiaraham-peon’i Farakely sy i Rija Ramanantoanina, izay namerina ny sanganasan’i Bessa ranofotsiny io. Hatao ao amin’ny CCEsca toy ny mahazatra ny seho, rahampitso alahady 10 mey, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hibahana ny […]
Kabary – Fi.Mpi.Ma maneran-tany: Hotontosaina any Mahajanga ny Zaikabe
Vovonana fara-tampony eo amin’ny rafitra mifehy ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi. Mpi.Ma maneran-tany) ny fanatanterahana ny Zaikabe. Ho an’ity taona ity, any Mahajanga ny ambohipihaonana. Hanomboka ny 27 jolay ka hatramin’ny 2 aogositra 2026 no hanatanterahin’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma maneran-tany) ny Zaikabe any Mahajanga. Io no rafitra fara-tampony […]
INDRAY MIJERY
Toy ny fanaon’ny Amadia isaky ny sabotsy, hisy ny hetsika ho an’ny ankizy sy ny tanora miaina miaraka amin’ny diabeta. Ao amin’ny Foibe Frenjy, akaikin’ny Clinique Amadia Faravohitra, ny toerana hihaonana amin’izy ireo. Ny diabeta sy ny maso no horesahina manokana. Hisy ny fizaham-pahasalamana faobe sy fitsapana HbA1C/ACR ary ny […]




