Mois : mai 2026

Lomano-Afrikanina : Nanamontsana “record national” i Océane

Nahazo vokatra tsara ny Malagasy mpilomano miatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja lomano, tanterahina any Oran Alzeria, omaly. Nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra na­sionaly, Rakotonanahary Océ­ane, teo amin’ny 100m Brasse ary tafapetraka teo amin’ny laharana fahatelo ka niambozona ny medaly alimo. “Re­cord” efa tamin’ny 35 taona lasa (1987) ity […]

Fanomanana ny Mondial 2026 : Hilalao amin’ny Barea ny Lion de l’Atlas

Nahazo fanasana hiatrika lalao ara-pirahalahiana izay hifanandrinana amin’i Maroc, any Rabat, ny Barean’i Madagasikara, ny volana jona ho avy izao. Aorian’io kosa, hifandona amin’i Ouganda. “Hifandona amin’ny goavana!”. Raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, hifandona amin’ny tompondakan’i Afrika, farany teo, ny Lion de […]

VAOVAO TAMBATRA

Tonga tao Toamasina, ny talata 5 mey teo, ny sambo Torm Elise, mitatitra solika. Mitotaly 64 500 taonina ny solika entiny, ahitana lasantsy, gazoala ary solitany fandrehitra. Omaly maraina no namonjy ny toeram-piantsonana izy, satria mbola nisy ny fampidinana ny solika mavesatra nentin’ny sambo Sea Treasure, teo alohany, omaly tolakandro. Vinavinaina […]

Centre de Formation Huawei : Hamoaka manam- pahaizana

Notokanana teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny alakamisy teo, ny Centre de formation Huawei. Ivontoerana ahafahan’ireo mpianatra mampihatra avy hatrany ny fianarana sy fiofanana arahiny. “Hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra eo amin’ny sehatry ny télécommunication ny fitaovana ampiasaina”, hoy ny talen’ny sekoly ambony Politeknika Antananarivo, ny Pr Rakotomalala Mamy Alain. Tombony ho an’i […]