Mois : mai 2026

Foire Internationale de Madagascar: Taratry ny toekarena malagasy

Ambohipihaonan’ireo mpisehatra ara-toekarena eto Madagasikara sy avy any ivelany ny Tsenabe iraisam-pirenena (FIM). Fotoana ahafahan’ireo mpandraharaha sy ireo matihanina samihafa mifanakalo hevitra sy traikefa hampandrosoana ny toekarena. Nanomboka omaly ka hatramin’ny alahady ny Tsenabe iraisam-pirenena eto Madagasikara « Foire internationale de Madagascar » (Fim) andiany faha-27. Hetsika karakarain’ny Madavision, eny amin’ny CCI […]

FANTINA sy FINTINA

Nanatitra ny fitoriana telo sosona teny amin’ny Tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly (Pac), 67 Ha, omaly, ny talen’ny serasera eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana, Rahajason Harry Laurent. Teo ny fitoriana ny depiote Rakotomanga Lanto sy ny sekretera teo anivon’ny fiadidiana ny Repoblikan’ny fitondrana teo aloha, Andriamaholy Dina, ary ny mpandraharaha Ravatomanga […]

Mpikamban’ny Ceni : Miasa avy hatrany ireo nahavita fianianana

Vita fianianana teny amin’ ny Fitsarana an-tampony, Anosy, omaly, ireo mpikambana enina vaovao eo anivon’ny Ceni. Rajafetra Setraniaina Solomanjaka Abraham avy amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Rambina Danielle Oméga (Fitsarana an-tampony), Ra­be­to­kotany Mamy (Holafitry ny mpisolovava), Rakotoa­risoa Anitra Soanjanahary (Holafitry ny mpanao gazety), Rabenan­drasana Cyril sy Andria­tsimiala Lanjaniony Sariaka […]

Malemy ilay fanjakana?

  Tsy mbola nisy angamba tao anatin’izay 60 taona izay fanendrena mpiasam-panjakana ambony ka hahemotra 10 andro any aorian’ny nivoahan’ny didim-panjakana. Raha ny zava-misy ao anivon’ny minisiteran’ny Jono dia mahalasa saina. Mitarazoka sa iniana ampitarazohana ny fifamindrana asa eo amin’ny sekretera jeneraly vaovao sy ny nesorina? Taratry ny fahalemen’ny fanjakana […]

Fitondrana Fanavaozana : Hanao tombana fahatelo ny iraky ny Sadc

Tonga eto Madagasikara ny iraky ny Sadc andiany fahatelo. Hanao tombana ny toe-draharaha eto an-toerana ny anton-dian’izy ireo. Tonga eto Madagasikara, afakomaly alina, ny iraka manokan’ny Sadc, tarihin’ny filohan’ny Repoblikan’i Malawi teo aloha, sady mpikamban’ny Komitin’ny Olobe eo anivon’ny Sadc no lehiben’ny delegasionina amin’izao dian-dry zareo izao, ny Dr Joyce […]