Mois : mai 2026

Centre culturel Omar El-Farouk, 67 Ha: Potika ny fitaovana sy entana tao amin’ny sekoly

Potika sy simba avokoa ny entana sy ny fitaovam-pianarana rehetra tao anatin’ny Centre culturel Omar El-Farouk 67 Ha, taorian’ny fanakorontanana nataon’ireo an­dian’olona, ny talata lasa teo. Simba tamin’izany, ny varavarankely sy ny varavarana ary nakorontana ny taratasin’ny mpianatra sy ny fitaovana tao amin’ny sekoly. Teo koa ny vono nahazo ny […]

Avy naka vidina kafe : Lehilahy hita nifatotra tady, norobaina ny vola

Tsy nahatsiaro tena ny lehilahy iray niharan’ny fandrobana tao Ambatomanga, fokontany Beravina, kaominina ambanivohitra Soalandy, ny alakamisy 28 avrily lasa teo. Niala tao amin’ny tranon’ny mpampiasa azy io lehilahy io, ny alarobia 27 avrily teo, tamin’ny 1 ora tolakandro. Nirahina haka vola vidina kafe tany amin’ny kaominina Ampahitrosy izy, araka […]

Fanolanana tany Andriampamaky: Pretra iray naiditra am-ponja

Naiditra vonjimaika am-ponja ny Pretra iray, niasa tany Andriampamaky, distrikan’i Manjakandriana, araka ny vaovao avy amin’ny zandary. Voalaza fa nanao herisetra ara-nofo tamin’ny tovovavy iray izy. Notanana vonjimaika any am-ponja nanomboka ny 28 avrily teo, ilay Pretra relijiozy voasaringotra tamin’ny tranga fanolanan-jazavavy 15 taona, tao An­driam­pamaky, distri­kan’Ava­radrano. Namonjy fihatahana masina « récollection » […]