Nomarihin’ireo tomponandraiki-panjakana tamin’ny alalan’ny diabe teto an-dRenivohitra ny fanamarihana ny fetin’ny asa, omaly. Nitarika izany ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana sy ireo mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta ary ny PDS Antananarivo, Ralambomanana Feno. Nolalovana ny teny Anosy sy Analakely… Natao fitaovana politika hatramin’izay ny asa fanaovan-gazety, araka ny nambaran’ny filohan’ny CTOJM, […]
Mois : mai 2026
fitsarana ny filoha Rajoelina: “Miankina amin’ny Antenimierampirenena”
“Niteny ny eny anivon’ny Antenimierampirenena fa amin’ny volana mey ny fivoriana ara-potoana… Tokony handeha amin’izay ny fiampangana ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Raha ny sitrapon’ny minisiteran’ny Fitsarana, efa tamin’ny desambra no tokony ho nandeha izay. Saingy, miankina amin’ny Antenimierampirenena izay misy pitsopitsony ihany koa”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny […]
Miasa tsara, miasa mafy
Nahoraka maneran-tany ny fankalazana ny Andro natokana hanomezan-danja ny tontolo sy mpiantsehatra momba ny asa. Samy nanao izay manandrify azy ny tsirairay. Toy ny mahazatra, amin’ny fankalazana samihafa, dia mivadika ho fety foana izany ho an’ny Malagasy. Ankoatra ny kilahadahatra samihafa dia miafara amin’ny fiaraha-misotrosotro sy mihinankinana ny fotoana. […]
Fikaonandoham-pirenena : Vonona hitarika ny FFKM
Ahoana ihany ny amin’ny fikaonandoham-pirenena? Mahabe resaka… Nanamafy ny FFKM fa vonona hitarika. Mialoha izany, hisy ny fihaonambe eto Antananarivo, amin’ny 18-21 mey ho avy izao. “Manamafy ny FFKM fa efa hatrany am-piandohana izao hetsika hotanterahina izao no efa naneho fahavononana hitarika ny fikaonandoham-pirenena, araka ny fanomezam-pahefana nomen’ny Filohan’ny Fanavaozana […]
TSELATRA
Vehivavy iray tokony ho 30 taona indray no hita faty teny amin’ny reniranon’Ikopa, nanaraka ny fefiloha Ambaniala Itaosy, afakomaly. Nihohoka teo ambony vato ny vatany ary nikirazozaro tany anaty rano ny tongony. Tsy nisy nahalala azy ny olona teny an-toerana. Mbola hita teny aminy avokoa ny fitafiany. Tombanana ho mpanasa […]




