Mois : mai 2026

Vaovao tambatra

 Miato ny fandoavana faktioran’ny Jirama amin’ny MVola noho ny antony tsy miankina amin’ny Jirama, araka ny fampahafantarana nataon’ity orinasa ity, ny 21 mey teo. Mandeha tsara kosa ny fampiasana ireo tambajotra hafa. Tsy mandeha koa ny fampiasana ny tolotra #699# an’ny MVola, fifanakalozam-bola eo amin’ny MVola sy ny banky BNI, […]

Vovonana Rali: nivondrona ny tantsaha any Diana sy Sava

Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy, ny alakamisy sy sabotsy lasa teo, ny sampan’ny Vovonana Rali, ivondronan’ny tantsaha ao amin’ny Faritra Diana sy Sava. Nitarika izany tany an-toerana ny filoha mpanorina, Ralaimahary Linot sy ny vadiny Rakotoniaina Ando. Nanotrona azy ireo ny ekipa mpanorina isam-paritra, izay ahitana ny mpiantsehatra rehetra amin’ny seha-pihariana […]

Depiote Befeno Hiacynthe: « Tsy mandoa hetra ny 95% ny orinasa »

Naneho hevitra ny solombavambahoaka voafidy tany Antsohihy, i Befeno Hiacynthe Todimanana, manoloana ny tontolon’ny hetra eto Mada­gasikara. Nohitsiny fa : « maro ireo mpandraharaha sy orinasa ara-dalàna eo amin’ny sehatra tsy miankina no mitaraina. Mizaka irery ny vesatra ara-ketra izy ireo sady mitombo isan-taona izany. Tsy mandoa hetra ary tsy voasoratra ara-dalàna […]

Alaotra Mangoro: hampiakarina ho 4 t/ha ny voka-bary

Aman’alina ny tantsaha nisitraka tohana avy amin’ny fanjakana tany amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Riz Plus », hampiakarana ny voka-bary ny hetsika. Nankalazaina tany amin’ny kaominina Ambo­hibary, distrika Mora­manga, ny 22 mey, ny santa-bary, ara-pomba betsimisaraka sy bezanozano. Nitarika ny fotoana, amin’ny fanohanana ny tantsaha, ny minisitra Ra­mindo […]

Fantina sy fintina

Hanomboka hanao ny fakan-kevitra miainga amin’ny fokontany 192 eto Antananarivo Renivohitra, ny vovonana Antenimieran’ny tolona ho amin’ny fanavaozana (ATF) amin’ity herinandro ity. Hanao kongresy nasionaly koa ry zareo amin’ny septambra hanapahan-kevitra ny amin’izay ho lalan-kizorana amin’ny raharaham-pirenena. Tsy ekena ny hevitra efa tapaka mialoha no holaniana. “Ny hevitry ny maro […]