Mbola mitohy ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ny minisitry ny Jono, ny Pr Maharavo Jean sy ny sekeretra jeneraly vaovao, Ravelomanantsoa Be-Rija. Mihisatra ny asam-panjakana noho ny hambompo manokana. Tsy mbola mankasitraka ny fanendrena ny sekretera jeneraly ny minisitra, tsy manaiky ny fiaraha-miasa hatramin’izao. Manomboka ny fanangonan-tsonia hataony, hanesorana ny olona […]
Mois : mai 2026
Alatsinain’ny Pantekoty: hipoka avokoa ireo toeram-pialamboly
Raha tarafina amin’ny isan’ny mpijery, fahombiazana avokoa ireo fampisehoana maromaro teto Antananarivo sy ny manodidina, omaly. Singanina indrindra amin’izany ny « Mi’sôma total » tetsy amin’ny Coliseum. Goavana indrindra na tamin’ny toerana, ny isan’ny mpijery, fa indrindra ny isan’ny tarika nifandimby an-tsehatra. Nosafidian’ny mpikarakara manokana ireo mpanakanto be mpankafy amin’izao fotoana izao. […]
Tsiakoraka: mbola am-pon’ny mpankafy, 40 taona aty aoriana
Io i Fidy, Guerd, Liva… Tarehy nanamarika izany Tsiakoraka izany hatramin’ny nanombohany. Fihaonana nahafaly ireo efa zokinjokiny toa azy ireo, ny seho nataon’ny tarika, ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Fotoana namerina indray ny taloha, tsy ireo hira ihany fa indrindra ireo fahatsiarovana nentiny. Notsaroana manokana ireo mpikambana […]
Pureplay Football League: namory maika ny mpitsara ny federasionina
Nanatanteraka fivoriana maika tetsy Isoraka ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra sy ireo mpitsara ary ny mpiantsehatra amin’ny fifaninanana “PFL”, ny asabotsy lasa teo. Antony: tsy nety hitsara ny lalao ny mpitsara manoloana ireny zava-nitranga nahitana fitoriana mpitsara ireny. Raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray, efa niravona ny disadisa, saingy hahemotra avokoa […]
Rugby sokajy vehivavy – Can 2026: nomontsanin’ny Springboks ny Makis Ladies
Voahaja ny lojika teo amin’ny lalaon’ny Makis Ladies sy ny Springboks Afrika Atsimo. Mbola maozatra ho an’ny tovovavy malagasy ny mifandona amin’izy ireo. Porofon’izany, nomontsaniny, tamin’ny isa mavesatra 62 no ho 5, ny ekipam-pirenena malagasy. Tsy mbola afa-bela tamin’ny Springboks Afrika Atsimo ny Makis Ladies, nandritra ny fiadiana ny ho […]




