Eo anelanelan’ny 1 500 hatramin’ny 2 500 isan-taona ny zana-kazo ambolen’ny orinasa Spat (Société du port à gestion autonome de Toamasina), mitantana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Mitsinjara roa ny toerana hanatanterahina izany, any amin’ny Faritra arovana Ivoloina sy any Brickaville. Karazana hazoala sy zanatany no hambolena. Manodidina ny 50 hatramin’ny 80 ny mpiasa […]
Mois : mai 2026
Varotra eto Afrika : Hatsangana ny komitim-pirenena ho an’ny Zlecaf
Hanampy an’i Madagasikara hamolavola paikady sy hitrandraka ny tsena afrikanina ny fametrahana ny komity hanara-maso ny Faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikanina (Zlecaf). Ivondronan’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina ity vondrona ity. Manomana ny fidirana ao anatin’ny Faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikanina (Zlecaf) i Madagasika. Natao omaly, ny […]
FANTINA sy FINTINA
Handinika ny raharaham-pirenena koa ireo taranaky ny andriana, avy amin’ny faritra samihafa. Manatanteraka fikaonandoha eto Antananarivo izy ireo, amin’izao fotoana izao. Tsiahivina fa mivondrona anivon’ny « Fédération des communautés royales traditionnelles coutumières culturelles de Madagascar – FCRTM » izy ireo. Miantso ny Tafika ho tony amin’ny andraikitra sahanina mandrakariva eto amin’ny firenena […]
Depiote Rafidimanana Narson : «Tsy tokony hadino ny fitakiana teny an-kianja»
Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny depiote Rafidimanana Narson. Nitodika manokana amin’ny fahefana mpanatanteraka ny tenany amin’izao fandinihana ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana izao. « Tsy tokony hanadino na hivaona amin’ireo fitakiana teny an-kianja isika. Aoka hatao laharam-pahamehana amin’ny tetibola ny mahamaika ny vahoaka », hoy izy. Nohitsiny fa hitsangana izy ireo […]
Tsy fanovana fa fanovanana
Raha atao indray mitopy maso, toa mazava ny lalan-kizoran’ilay Madagasikara. Endrey izato firantirantiana any ivelany. Tena manambaka ireo firenen-kafa tsy mba nahitan’olana. Mahazo ny haja sy voninahitra, tsy misy toa izany, tena manao be ilay Tetezamita. Tsy mitavozavoza ry Ramiaramila isany. Manambaka ny mpitondra nandatsaham-bato tamin’ny fifidianana. Tena milamina […]




