Tontosa ny 28 hatramin’ny 30 mey lasa teo, tany Nairobi Kenya, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, faritra Atsinanana, taranja karate. Tsy nitsanga-menatra ny Malagasy fa na dia vitsy aza ny nisolo tena an’i Madagasikara, vokatra tsara no azo. Medaly volamena 1 sy alimo 1 no norombahan’ny karatekas malagasy. Tamin’ny alalan-dRavelonarivo Andhy, no nahazoan’i Madagasikara ny medaly volamena, teo amin’ny sokajy latsaky ny 55kg, vehivavy. Andriamihajatiana Mandresy kosa no nisalotra ny medaly alimo iray, teo amin’ny sokajy latsaky ny 52 kg lehilahy. Tsiahivina fa karatekas 4 mianadahy no nisolo tena an’i Madagasikara. Tetsy ankilany, nandrombaka ny medaly alimo ihany koa, Rajaonarison Christian Finoana, teo amin’ny sokajy latsaky ny 60 kg lehilahy.
Filohan’ny faritra Atsinanana, Dr Emile
Ankoatra izay, notanterahina ny 30 mey lasa teo ihany koa ny fivoriambe, izay nametrahana izay hitantana ny faritra Atsinanana. Tafapetraka ho filoha, Ratefinanahary Emile, filohan’ny federasionina ny karate-do Malagasy (FKM). Filoha lefitra misahana ny fitantanan-draharaha, Mr Richard, filohan’ny federasionina kenyana. Filoha lefitra misahana ny ara-bola, Mr Mulae, filohan’ny federasionina Ethiopiana. Nisaotra ny Filohan’y UFAK sy ny Filoha Lefitra WKF/UFAK, ny filohan’ny FKM, nametraka fitokisana taminy.
Mi.Raz




