Tena ratsy ny vokatra azon’ny Makis Ladies, nandritra ny Can 2026 taranja rugby ho an’olona 15. Faharesena intelo, tamin’ireo lalao telo nataony no vitan-dry zareo. Gisitra ny Malagasy ary mivarina any amin’ny sokajy ambany, amin’ny taona 2027.
Tontosa omaly, tany Nairobi Kenya ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovina olona 15 vehivavy (Can 2026), sokajy “Division performance”. Gisitra ny Makis Ladies, resy intelo. Omaly, nandritra ny andro fahatelo, mbola lavon’ ny The Cranes Ouganda, tamin’ny isa mazava 46 no ho 12. Vokatra mamarina azy ireo any amin’ny sokajy D1 amin’ny taona manaraka. Sahirana tamin’ny “charge” ireo Malagasy mpilalao. Na izany aza, ny Makis Ladies no nanokatra ny isa voalohany, tamin’ny alalan’ny baolina nentin-tanana vitan’i Ginah, izay voatsaran’i Jinah kely ka nitarihan’izy ireo, tamin’ny isa 7 no ho 0 teo amin’ny 10 mn nilalaovana. Nifandimbiasana ny fanafihana avy eo saingy nanantombo sy nanao totoafo ny tsindry nataon’ny ogandezy. Nosahalain-dry zareo ny isa teo amin’ny minitra faha-20, rehefa nahatsindry baolina ry zareo sady voatsara. Tsy nijanona teo fa nisesy ny baolina nentin-tanana vitan’izy ireo, ka nitarihany 28 no ho 7 teo am-pialantsasatra.
Fidirana faharoa, nampiasa tolotolotra haingam-pandeha ny Makis Ladies ka nibodo tao amin’ny tanin’ny
The Cranes Ladies Ouganda saingy tsy nety nahatonga baolina mihitsy. Ry zareo ogandezy indray aza no nahatsara “hors jeu”. Taorian’ izay, nahatsindry baolina nentin-tanana ny Makis Ladies, tamin’ny alalan’i Ericka saingy tsy voatsara izany ka nijanona ho 12 ny isa. Taorian’io, nitrongy mafy indray ny ogandezy ka tany amin’ny 80 mn nahavita “essai” voatsara izy ireo, ka nahatonga ny isa ho 46 no ho 12.
Mbola voahosotra ho tompondaka kosa ny Springboks Afrika Atsimo rehefa nandresy an’i Kenya, tamin’ny isa 35 no ho 30.
Tompondaka




