Notsenaina tamin’ny fomba manetriketrika tao amin’ny Kianjan’ny Parc de Princes, ao Paris, renivohitr’i France, ny Paris Saint Germain(PSG), afakomaly. Nankalazaina tao amin’ity kianja ity ny fahombiazan’ny PSG, izay nibata amboara roa tamin’ny Ligue des Champions 2026. Tsiahivina fa tazana tao anatin’ny lanonana ilay Malagasy mpanazatra Barea fahiny, sady mpilalaon’ny PSG teo aloha, Rabesandratana Eric.
Hotanterahina rahampitso, ao amin’ny efitranon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) Ambohidahy, ny fivoriana teknika amin’ny lalao hifanandrinan’ny samy mpanao gazety na «Inter-media». Fihaonana hotanterahina etsy amin’ny Kianjaben’i Mahamasina, ny sabotsy 6 jona ho avy izao.
Lavon’ny Azerbaidjan, tamin’ny isa 21 no ho 13, ny Ankoay vehivavy, tamin’ny lalao voalohany natrehany, omaly, ao anatin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety 3×3, tanterahina any Pologne. Anisany nifanandrina tamin’ny Ankoay vehivavy, omaly koa, ny mpampiantrano, i Pologne, raha toa ka i Autriche sy i Serbie kosa no nifandona tamin’ny Ankoay lehilahy.




