Vokatry ny angom-baovao marim-pototra sy ny fanadihadiana lalina nataon’ny sampandraharaha eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, tra-tehaka teny By-pass ny vehivavy iray naka an-keriny zaza vao 2 taona monja, ny 8 jona teo. Nametrahan’ny ray aman-drenin’ny zaza fitokisana amin’ny fikarakarana sy fanaraha-maso ilay zaza, nentin’io vehivavy io nandositra ny zaza vao 2 taona sy […]
Mois : juin 2026
Tsaralalàna: Avotra ilay zaza nariana tao an-kabone
Avotra soa aman-tsara, taorian’ny firaisankinan’ireo tsara sitrapo ny zaza vao teraka narian-dreniny, tetsy Tsaralalàna, boriborintany voalohany, ny tolakandron’ny talata 10 jona teo. Tsikaritry ny mpandalo ho misy trangan-javatra hafahafa tao anatin’ilay daba fanariana taratasy maloto, tao anatin’ny toeram-pivoahana iombonana iray. Zazakely vao teraka sy mbola nihoson-dra io hita nisy nanary […]
Tsena voatafika tetsy Itaosy: Valo lahy misaron-tava, nandratra olona roa
Naratra voatifitra sy voadaroka ny lehilahy roa teny Itaosy, afakomaly alina. Valo lahy misaron-tava nanafika tsenakely. Voaroba ny vola 1 000 000 Ar sy finday dimy. Notafihan’ny jiolahy miisa valo, misaron-tava sy mirongo fitaovam-piadiana, ny tsena iray etsy Antsahakely, fokontany Marobiby, kaominina Ambanivohitra Fiombonana, afakomaly alina tokony ho tamin’ny 12 […]
GOGUETTE 10 06 2025
Rugby – “XXL Top 12”: Hifampitana ny Uscar sy ny FTM
Madiva hifarana ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, na “XXL Top 12”. Miditra eo amin’ny andro faha-10 ny lalao ny alahady ho avy izao, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Anisan’ny lalao goavana ny fifanandrinan’ny Uscar sy ny FTM Manjakaray. Samy nahazo fandresena 6 sy faharesena 3 avy […]




