Mois : juin 2026

Tsipy kanetibe – Olon-droa miaraka  : Nisongadina ny ekipan’ny Cecam Bouliste Club

Tontosa teny amin’ny Kianja Ankatso, ny alahady lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena amin’ny taranja tsipy kanetibe ho an’olon-droa. Nisongadina ny Cecam Bouliste Club (CBC), nahitana an’i Hariliva (Ram’s) sy i Tendry teo amin’ny “senior”, lehilahy, izay nandrombaka ny anaram-boninahitra. Nandrasan’ny rehetra fatratra ny famaranana, nikatrohan’izy ireo tamin’i CBN, […]

SOMBIM-BAOVAO

Atleta nisongadina nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, aty amin’ny faritra Atsimo, sokajy zandriny U18 sy U20, izay natao tatsy Maorisy, ny faran’ny herinandro teo, Andrianjafy Ny Aina Anna. Nahazo medaly volamena, tamin’ny hazakazaka 400 metatra misy fefy, izy. Nahazo medaly telo moa ny delegasionina malagasy tamin’ity: volamena iray, […]

Environment Contest 3×3 : Norombahin’ny Uprim sy ny Essca ny amboara

Fahombiazana ny hetsika fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana  nokarakarain’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nisy ny fifaninanana basikety 3×3 izay niarahana nisalahy tamin’ny Federasionina malagasin’ny basikety. Fifaninanana natokana ho an’ny Oniversite ka nahatratra 91 ny ekipa nandray anjara tamin’izany. Ny ekipan’ny Uprim no nibata ny amboara […]

Pureplay Football League : Hanala vela amin’ny Ajesaia ny Disciples FC

Hotanterahina ny faran’ny herinandro ho avy izao, etsy amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny lalao mandroson’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Adin’ny samy henjana ny fifanandrinan’ny Ajesaia sy ny Disciples FC Vakinankaratra, lalao hanokafana ny manasa-dalan’ny fifaninanam-pirenena PFL, ny sabotsy ho avy izao, eny […]

LFR 2026: Nampidinina ho 750 Ar/l ny hetra amin’ny alikaola

Nanambara ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Mi­chaël, ny alahady 7 jona teo, fa misy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana mahakasika ny hetra amin’ny famokarana ataon’ny orinasa Star. Araka izany, ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny Teti­bolam-panjakana nasiam-panitsiana “LFR 2026”, nampidinina ho 750 Ar isaky ny litatra ny hetra « Droit […]