Ravan’ny mpitandro filaminana ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana teny Ampasapito, boriborintany fahatelo, ny alin’ny sabotsy 6 jona teo. Dimy lahy nitam-piadiana nikoninkonina hanao fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny faritra Gamo. Naharay loharanom-baovao mari-pototra ny polisy eo anivon’ny SCUSI (Sakamainty) ka niroso tamin’ny fitsikilovana teny an-toerana. Sarona tokoa ireo jiolahy, ny alin’io sabosy io […]
Mois : juin 2026
Andranomahery-Ankorondrano : Tovolahy namoy ny ainy, nolerana zava-maranitra
Namoy ny ainy rehefa nentin’ny fianakaviany ny tovolahy iray nolerana zava-maranitra, tetsy Andranomahery, fokontany Ankorondrano Andrefana, boriborintany fahatelo, ny alin’ny sabotsy 6 jona teo. Nolerana zava-maranitra teo amin’ny kibony sy teo akaikin’ny faritry feny ny tovolahy iray vao erotrerony tao Andranomahery, afakomaly alina. «Hamonjy fodiana izahay telo mirahalahy. Niraikitra tampoka […]
Kominina Ambonivohitr’ i Toamasina: Fahadiovana maharitra no tanjona
“Tsy atao ho zavatra mandalo fotsiny izany fanadiovana sy fahadiovana izany, izay fototry ny fahasalamam-bahoaka aharitra ka tsy maintsy mametraka fahadiovana sy fanadiovana tanàna maharitra ho an’ny vahoaka ny kaominina ambanivohitr’i Toamasina”, hoy ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, nandritra ny fidinany ifotony efa ho tapa-bolana tsy an-kiato izay. Efa nataony nitarika […]
Oniversiten’Antananarivo: Hankalaza ny faha-65 taona niorenany
Mandritra ny herinandro (15 ka hatramin’ny 21 jona 2026 ho avy izao) ny hetsika ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-65 taona niorenan’ny Oniversite eto Antananarivo Araka ny fanazavan’ny filohan’ny mpikarakara, i Nantenaina Rabetokotany, ny 15 jona ho avy izao ny fanokafana ny hetsika, miaraka amin’ny tranoheva iarahana amin’ireo toeram-pampianarana valo […]
Havàtsa-Upem – Volan’ny teny malagasy : Hanomboka anio ny Atrikasa 2026 fanoratana
Iray amin’ireo hetsika mampiavaka ny Fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy na ny Havàtsa-Upem ny fanatanterahana atrikasa mifanaraka amin’ny vanim-potoana. Ao anatin’izao «Iray volana anandratana ny teny malagasy» izao, hanatontosa ny «Atrikasa 2026 fanoratana» ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikoloana ny teny malagasy ity. Hiompana amin’ny famakafakana asa soratra (Essai […]




