Nandrasan’ny jiolahy dimy manao saron-tava sady mitam-piadiana teo an-tokotany ny mpianakavy avy nitety tsena naka vola, tao amin’ny fokontany Avaratsena, kaominina Tsiroanomandidy, afakomaly tamin’ny 9 ora alina. Hidina ny fiara nitondra azy, tsy nisy nanampo na inona na inona ireo mpivarotra tao anatin’ny fiara avy nanangona vola teny an-tsena ireo. […]
Mois : juin 2026
Tovolahy tsy salama saina: Nolerany antsy inefatra ny anabaviny
Voatsatoka inefatra tamin’ny antsy, tsy tana ny ain’ny vehivavy iray tao Manjakandriana, afakomaly. Nahavanon-doza ny anadahiny. Nentin’ny fokonolona ialana nenina teny anivon’ny hopitaly, namoy ny ainy, ny tovovavy vao erotrerony tao Ankazondandy, distrikan’i Manjakandriana, afakomaly. Nivoa-dra be loatra vokatry ny tsatok’antsy nahazo azy io vehivavy io. Miaraka monina amin’ny reniny […]
Faribolana Sandratra : Hanatontosa ny “Hadimiana Sandratra”
Tsy ataon’ny Faribolana Sandratra mandalo fotsiny ny Iray volan’ny teny malagasy. Hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanandratana ny literatiora malagasy ry zareo, mandritra ny dimy andro, etsy amin’ny Efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny 8 ka hatramin’ny 12 jona izao. “Hadimiana Sandratra” rahateo ny anarana nampisalorana ny hetsika hatao amin’ireo fotoana […]
Sehatra bagasy: Hisesy ny « Atrikefa » sy ny « Zarasehatra »
Hametraka tantara lehibe ho an’ny taranaka any aoriana ny Sehatra bagasy, amin’ity volana jona ity. Araka ny fandaharam-potoana nampitaina, rahampitso manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro no hanatanterahina, ao amin’ny efitrano malalaky ny Trano fiantohana Aro, Antsahavola, ny “Atrikefa bagasy”. Hiarahana amin’i Salomon (Kintana Telo) izany. Fotoana hamaliana ireo […]
CHUJRB : 100 taona nitsaboana
Mitohy anio ny varavarana misokatra ho an’ny daholobe karakarain’ny hopitaly CHUJRB na Befelatanana ambony. Manamarika ny faha-100 taona nijoroany ity hopitaly ity ary manome tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny rehetra. 100 taona nitsaboana sy nanasitranana, 100 taona nijoroana sy nanangonana traikefa ny hopitaly. “Traikefa 100 taona, fitsaboana azo antoka” no […]




