Mois : juin 2026

StarTimes : Tolotra manokana ho an’ny mpanjifa

Manakaiky ny mpanjifa! Tsy mitsahatra mikaroka zava-baovao sy manome fahafam-po ny mpanjifany hatrany ny StarTimes. Tolotra miavaka indray no atolony, nanomboka ny 1 jona hatramin’ny 31 jolay. Misitraka karazam-pandaharana fanampiny maro ny mpanjifa mandritra io roa volana io, rehefa manampy 10 000 Ar monja amin’ny saram-pamandrihana mahazatra. Misy karazany telo izany, […]

Famokarana : Nahazo fampitaovana ny MEH

Mitentina 2 500 tapitrisa dolara ny tetibidin’ireo fitaovana natolotra ho an’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), teny Ampandrianomby, omaly. Fampitaovana hanamafisana ny fahafahan’ny minisitera manatanteraka ny andraikiny. Tafiditra ao anatin’izany ny fiara tsy mataho-dalana (Pick-Up) miisa 38, moto « cross » 55, « laptop » miisa 55. Eo ihany koa ireo solosaina fampiasa am-birao […]

FANTINA sy FINTINA

“Tokony hatsahatra ny fitsabatsabahana andraikitra izay fanitsakitsahana ny fahefana mpitsara, indrindra ny fidirana any anatin’ny fanapahan’ny mpi­tsara”, hoy ny filohan’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), Andriantsihorisoa Mbitanarivo, teny Anosy, afakomaly, manoloana ny fitsabahan’ny mpanatanteraka ny raharaham-pitsarana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). “Tsy marina ny filazana ny amin’ny […]

Madagasikara – Indonesia : Fifanekem-piaraha-miasa roa no vita sonia

Miroso amin’ny fiaraha-miombon’antoka lalina kokoa i Madagasikara sy i Indonesia amin’izao. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, omaly, fifanekem-piaraha-miasa roa no vita sonia. Nan­dritra ny fitsidihana ofisialy no nandraisan’ny minisitra misahana ny Raharaham-bahiny indoneziana, i Sugiono, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i N’Diaye Alice, tao Jakarta renivohitra, afakomaly. Eo àry […]

Tsy ilaina ny indrafo

  Tena mahavalalanina ny raharaha politika eto Mada­gasikara amin’izao fotoana izao. Olom-bitsy miketrika ny tombony ho azy manokana no mitady ho lasa « tompon’ ny tanàna ». Mivadibadika tsikelikely eny ny fandehan-javatra, ka tsy hita intsony izay ho henoina sy ho arahina. Atao hoe vazaha mody miady, tsy takatra izay […]