Mois : juin 2026

TSELATRA

Tra-doza tampoka, saika tery tao ambany kamiao ny lehilahy iray nanolo kodiarana, tao Ambositra, omaly. Nilatsaka tampoka ny tohana nampiasain’io olona io. Avotra noho ny fisian’ilay kitapon-drivotra lehibe tamin’ilay kamiao izy. Tovovavy iray mpianatra eny amin’ny St Michel Itaosy hifampitadiavan’ny fianakaviany, nanomboka afakomaly. Niala ny trano fonenany, hiditra amin’ny 1 […]

Nandroba fiara nitondra PPN: Jiolahy dimy voasambotra

Ravan’ny zandarimaria ny fikambanan-jiolahy nandroba fiara nitondra PPN tao amin’ny fokontany Ambohimarina, kaominina Mahavelona-Foulpointe, afakomaly. Kamiao lehibe iray nitondra entana hamidy niharan’ny asa ratsin’ireo jiolahy ireo. «Nihanika avy hatrany tamin’ny vatan’ilay fiara izy ireo ary nanararaotra naka ny entana ny alin’ny alakamisy 28 mey lasa teo», hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny […]

Maty tao amin’ny reniranon’Ikopa : Vehivavy nitambotsotra teo am-panasana lamba

Namoy ny ainy rehefa nitambotsotra tampoka teo am-panasana lamba ny renim-pianakaviana iray 55 taona, omaly maraina, tetsy amin’ny ranon’Ikopa Andohatapenaka. Nianjera izy ka latsaka tao anaty rano ary maty tao. Renim-pianakaviana iray 55 taona, maty an-drano tao amin’ny ra­non’Ikopa, tetsy Andohota­penaka, ampitan’ny Gara Maki, omaly tamin’ny 8 ora sy sasany […]