Mihorohoro ny vahoaka! Mitaintaina andro aman’alina ny zanaka sy ray aman-dreny. Hatramin’ny vady aza moa. Tsy ny zaza ihany no lasibatry ny mpangalatr’olona, mahita faisana koa ny olon-dehibe. Miandahy miambavy ny olona very, tsy mifidy taona. Indrisy, izay manjavona, tsy mody ao an-trano fa ampodian-dry zalahy any amin’ny Ray.
Mila mitandrina ny olon-drehetra manoloana ny zava-miseho. Tsy hiandrasana mpitondra na mpitandro filaminana, satria, ny azy ireny dia mijanona eo amin’ny hoe fanakorontanana politika sy ditran-jaza. Hatraiza ny famotorana satria ilay fanjavonana taova mbola miteraka ady hevitra hafa. Sao mba afera hitadiavam-bola ny an’ny sasany? Sao misy resaka sorona sy finoana hafahafa ihany koa? Petra-kevitra mivoaka eny amin’ny fiarahamonina ankehitriny izany.
Mandry an-driran’antsy ny sarambabem-bahoaka. Miahiahy amin’ny havoakan’ny ampitso. Raha ny zava-mitranga dia sanatrian’ny vava mampirisika ny ray aman-dreniny hampigadra ny zanany an-trano. Ny olam-piainana isan-karazany efa iarahan’ny ankizy mizaka ao an-tokantrano, ny zony mba hiaina ankalalahana ity zary giazan’ny toe-javamisy eto Madagasikara. Tsy misy izay mba mampilamin-tsaina fa mivadika ho tahotra maharitra sy tsy ahitam-bahaolana.
Inona no marina? Fanontaniana tsy ahitam-bahaolana mandrakizay izany. Mandalo kirizy ny fiarahamonina: politika, toekarena, sosialy, ara-panahy sy finoana. Tsy hiadian-kevitra izay! Fa eo amin’ny vahaolana sy ny fiatrehana izany no ilana fandinihan-tena lehibe. Tsy maintsy mandray ny andraikitra manandrify azy ny mpitondra fa tsy tokony hiala ilany amin’ny resaka politikan’ny
« firongony » sy ny hoe tsy maty voalavo an-kibo. Ampy izay! Very fanahy mbola velona ny rehetra
r.r




