France vs Espagne : Hisy tompon-toerana tsy hilalao

Hotanterahina, anio, ny manasa-dalana voalohany eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany «Mondial 2026». Hifanandrina amin’izany ny La Furia Roja Espagne sy ny Les Bleus France. Vonona ny ekipa roa tonta, saingy samy manana olana eo amin’ireo mpilalaony.

Ho fantatra amin’ity talata ity izay ekipa voalohany hiatrika ny famaranana amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mon­dial 2026”. Hatao ao amin’ny Kianja Dallas, Arlington ny ankatoky ny famaranana hikatrohan’ny La Furia Roja Espagne sy ny Les Bleus France. Hiendrika famaranana kely ny fihaonana eo amin’ny roa tonta. Na eo aza izany, manana olana amin’ireo mpilalaony avy ny mpanazatra roa lahy, i Deschamps (France) sy i Luis de la Fuente (Espagne). Samy misy mpilalao tompon-toerana maratra manko ka mety tsy ho afaka hiakatra kianja amin’ity lalao manasa-dalana ity.
Raha ho an’i France, tsy nanatrika ny fanazarantena mialoha ity fihaonana ity ireo vodilaharana roa lahy, i Wil­liam Saliba sy i Dayot Upame­cano. Mety ho ao anatin’ireo hijoro ihany anefa izy ireo, raha ny fanambaran’ireo mpitsabo, manaraka ny ekipa. Roa lahy koa no tsy afaka ho an’ny La Furia Roja dia i Robin Le Normand ary i Pedri, izay voadona teo amin’ny lohaliny.
Tsiahivina fa fanintelony amin’izao ny fihaonan’ny roa tonta ka indroa resy ny Fran­tsay. Ity izany no alavela ho an’i France. Hiantehitra betsaka amin’i Mbappé, kapiteniny, araka izany, ny Frantsay. Hitantana ny fihaonan’ny roa tonta, amin’ity, ilay teratany Salvador, i Ivan Barton. Ha­nampy azy ilay mpiray tanindrazana aminy i David Moran sy ilay Nicaragoanina, i An­tonio Pupiro. Mpitsara fahefatra, i Glenn Nyberg avy any Suède.
Ankoatra izay, tsy ho afaka hanatrika ity lalao ity i Emma­nuel Macron, filoham-wpirenena frantsay noho ny fetim-pirenen’izy ireo. Ho tonga any New-York kosa nefa izy raha toa ka tafakatra amin’ny famaranana ny Les Bleus.

Tompondaka

Partager sur: