Taorian’ny fifaninanana iraisam-pirenena natao tetsy Mahamasina, vaovao mahafaly ho an’ny karate-do malagasy, voaasa amin’ny “Open de Saint Denis” i Madagasikara.
Fahombiazana ny fifaninanana “Coupe international d’Antananarivo” natao teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tohin’izay, nahazo fanasana avy amin’ny Renioney i Madagasikara handray anjara amin’ny “Open de Saint Denis”, hatao ny volana novambra. Mariky ny fahaiza-manaon’ny Malagasy mpikatroka izany ary hita fa niakatra ny lentan’ny mpifaninana avy eto Madagasikara nandritra iny fifaninanana iny. Raha hiverenana ny momba izay, nifampizarana ny vokatra ka samy nahazo anaram-boninahitra ny vahiny sy ny mpampiantrano. Nahafa-po ny vokatra, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasionin’ny karate-do Malagasy, Ratefinanahary Emile. Tsy nisy rahateo ny olana na teo amin’ny fifaninanana na ny fitsarana. Tanjona ny hananan’i Madagasikara fifaninanana iraisam-pirenena ara-dalàna sy tafiditra anatin’ny fandaharam-potoan’ny Ufak aty amin’ny ranomasimbe Indiana sy ny faritra atsinanana, raha ny fanazavan’ny filohan’ny FKM hatrany. Efa fantatra amin’ny taona ho avy fa hisy ny delegasionina ara-teknika avy amin’ny Ufak hijery sy hitarika ity fifaninanana eto Antananarivo ity.
Tsiahivina, 324 ny mpifaninana tamin’ity “Coupe Internationale d’Antananarivo” ity, nahitana mpikatroka 6 taona hatramin’ny sokajy Seniors.
Mi.Raz




