Fanadinana BEPC eto Antananarivo :Hivoaka ny faran’ny herinandro

Vita ny alatsinainy teo ny fitsarana ny taratasim-panadinana BEPC rehetra ho an’ny Cisco Atsimondrano. Efa mandamina ny taratasy ny mpiasa, omaly. Manomboka anio ny fampidirana ny naoty ao anatin’ny ordinatera. Tombanana hifarana rahampitso izany. Raha mizotra tsara ny dingana rehetra, hivoaka ny zoma na sabotsy ho avy izao ny valim-panadinana ho an’ny Cisco. Mbola miandry fanamafisana avy amin’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena mantsy izany, araka ny fanazavana azo tamin’ny tomponandraikitra. Mahatratra 13 600 ny mpiadina ho an’ny teny amin’ny Cisco Atsi­mondrano.
Anio kosa no hanao ny délibération ny tomponandraikitra ao amin’ny Cisco Avaradrano. Tombanana tsy ho ela aorian’izay ny voka-panadinana. 9 939 ny isan’ny mpiadina ho an’ity Cisco ity.
Efa eo am-panaovana ny fampidirana ny naoty ao anaty ordinatera koa ny Cisco Antanananrivo Renivohitra. Vinavinaina hivoaka ny faran’ny herinandro izao ny vokatra. 39% amin’ny Cisco manerana ny Nosy no efa namoaka ny valim-panadinana BEPC.
Efa nivaly miandalana izany ho an’ny Cisco maromaro, nanomboka ny faran’ny herinandro teo. Ho an’ny Cisco Maevatanàna, nahatratra 78,07% ny taham-pahafahana. Ankoatra izay, toy izao ny taha ho an’ireto Cisco manaraka ireto: 66,82 % ho an’Ambilobe ary 61,25 % ho an’Ifanadiana. Nosy-Be, nahazo taham-pahafahana 76,42% ary 76,84 % ho an’i Vohipeno. 28,85 % ny vokatra ho an’ny Cisco Anosibe An’ala, raha 35,61 % ho an’Ivohibe ary 90,95% ho an’ny Cisco Morafenobe.

Vonjy

Partager sur: