Vehivavy miisa 30 niharan’ny herisetra nandrato fiofanana momba ny zaitra tetsy amin’ny CFP Tsimbazaza. Notolorana fampitaovana izy ireo hampahaleo tena hiatrehany ny fiainany. Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina ny fanohanana sy fampizakan-tena ireo vehivavy.
Miditra amin’ny volana fahefatra, taorian’ny nandoavana ny vatsim-pianarana volana marsa, avrily ary mey, ny fizarana vatsim-pianarana ho an’ny mpianatry ny oniversite. Efa nanomboka tamin’ny volana jona lasa teo ny fandoavana ny an’ity volana fahefatra ity ary mitohy hatramin’izao. Ny vatsim-pianarana izay azo ajanona ao anatin’ny kaonty Wallet Trésor ary alaina amin’ny fotoana izay mampety ny tsirairay.
Nivoaka ny 14 jolay 1961 ny didim-panjakana nananganana ny “Université de Madagascar” teto Antananarivo. Feno 65 taona omaly, araka izany, ity oniversitem-panjakana ity. Hatramin’izay, taranaka maro no efa nandalo tao, nandranto fahalalana, nofinofy ary fanantenana ho an’ny firenena.




