Valanaretina Mpox : Natao vaksiny ny voafonja

Ho fanamafisana ny ady amin’ny fiparitahan’ny valanaretina Mpox, nidina ifotony tao amin’ny fonjaben’i Tsiroano­mandidy ireo mpiasan’ny fahasalamana, “ekipan’ny Emad”. Paikady napetraky ny fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka. Nandritra izany, nisy ny fanaovana vaksiny ny rehetra ka anisany ny mpiasan’ny fonja, ny mpiasan’ny fitsarana ary ireo voafonja.
Santionany amin’ireo paikady entina misoroka sy manapaka ny rojom-pifandraisana amin’ity valanaretina Mpox ity ny hetsika atao. Manatanteraka izany avokoa ireo tomponandraikitra rehetra eo amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka, any amin’ny faritra rehetra, manerana ny Nosy.
Manentana ny rehetra tsy hisalasala hanatona tobim-pahasalamana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Fiarovan-tena sy fiarovana ny hafa ny fanaovana vaksiny miaro amin’ity valanaretina ity, hisorohana sy hiadiana amin’ny fiparitahany.

Vonjy

Partager sur: