Karate-Challenge de Betsileo :  Any Fianarantsoa, ny 20 hatramin’ny 23 aogositra

Taorian’ny fifaninanana “Coupe international d’Anta­na­narivo”, ny ” Challenge de Betsileo” indray no fandaharam-potoana manaraka  ho an’ny Federasionina karate-do malagasy. Hotanterahina any Fianarantsoa, ny 20 hatramin’ny 23 aogositra izao, ny “Challenge de Betsileo”, andiany faha-5. Fifaninanana izay efa fanao isan-taona sy tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny FKM ary anisan’ny manan-danja satria hahafahan’ny atleta mahazo isa sy hijerena izay mendrika ihany koa. Miha mivoatra hatrany ny fifaninanana amin’ny maha andiany faha-5 azy. Hahazo ny anjarany sy afaka mifaninana avokoa, manomboka any amin’ny katitakely hatrany amin’ny sokajy Vétérans, eo amin’ny kata sy kumite, an’olon-tokana sy ekipa. Manom­boka amin’ny sokajy latsaky ny 8 taona, 10 taona, 12 taona,  14 taona,  16 taona,  18 taona,  Seniors ary Vété­rans, lahy sy vavy, no handray anjara.  Tsiahivina fa  any Fia­narantsoa ihany koa no ha­naovana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ity taona ity,  ny volana oktobra,  no sady hanatanterahana ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasionina karate-do malagasy.

Mi.Raz

Partager sur: