Ao anatin’ny fialantsasatra lehibe ny mpianatra. Fantatra, omaly, fa hiditra amin’ny andiany faha-15 ny « Jazz@ Tohatohabato » na ilay hetsika lehibe momba ny jazz, karakarain’ny Cercle Germano-Malagasy/GZ (CGM/GZ), fanao isan-taona eto an-dRenivohitra sy ny manodidina.
Ny alarobia 5 aogositra, « Jazz kids ». Hiaka-tsehatra ao amin’ny Tranompokonolona Analakely ireo ankizy kely manan-talenta amin’ny fitendrena sy fihirana ny jazz. Taninketsa anisan’ny hamaritra sahady ny hoavin’ny jazz eto Madagasika sy ny ho fivelaran’izany maneran-tany. Ny zoma 7 aogositra, eo amin’ny Parvis Analakely sy ao amin’ ny Tranompokonolona Isotry. Hanatanterahina ny « Jazz quartier » handraisan’ireo efa mpisehatra amin’ny jazz sy ireo talenta vao.
Ho fihaonamben’ny mpitia sy mpilalao jazz kosa ny tohatohabaton’Antaninarenin, ny sabotsy 8 aogositra, manomboka amin’ny 6 ora hariva. « Jazz street », hihaonana sy hifanakalozan’ireo andrarezina sy ireo vonona haneho ny talentany sy hifanakalo traikefa. Tahaka ny mahazatra. « Jazz grande scène », izay hotazanina avy eo amin’ ny tohatohabaton’Antaninarenina no hotanterahina ny alahady 9 aogositra.
Marihina fa iray amin’ireo fampisehoana ankalamanjana maro mpanatrika ny « Jazz@ Tohatohabato ». Tranga maneho fa liana sy tia jazz ny Malagasy.
HaRy Razafindrakoto




