« Parts d’êtres», mirakitra asa soratry ny dokotera kolonely Horace Joëlle. Bokin-tononkalo amin’ny teny frantsay izy ity, izay nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo. Ireo zavatra hitany, tsapany ary niainany avy amin’ny fifaneraserany aman’olona no aingampahin’ity mpanoratra, mpitsabo ary miaramila manamboninahitra ambony ity. Misy lohahevitra maro voizin’ireo tononkalo tsirairay mandrafitra ny boky andiany voalohany.
Hotanterahina ny 20 hatramin’ny 28 aogositra izao ny « Fitampoha », any Ampasy, Belo Tsiribihina. Io ny daty navoakan’ny Ampanjakan’ny Menabe, Kamamy Harea Georges Tsialia. Fanao nentim-paharazana, fanomezam-boninahitra ireo ampanjaka taloha nitondra an’i Menabe, no fihaonambe ho an’ny Sakalava izay misandrahaka maneran-tany izy ity.
Ho avy eto an-tanindrazana i Nono. Taorian’ny seho izay nahitana azy indray tany France, nanambara ity mpanakanto ity fa hisy ny seho hotontosainy aty. Indray miantaona izany, ny 6 septambra, ao amin’ny CCesca Antanimena. Ny 11 septambra kosa ao amin’ny Havoria Anosy. Tsy mbola fantatra izay mpitendry hanaraka azy, satria iaraha-mahalala fa nahasarotiny an’i Nono hatramin’izay ny hirany.




