Tetikasa Volobe : Natolotra teny amin’ny Antenimierampirenena

Mitohy ny fanatanterahana ny Tetikasa Volobe. Nihaona sy nampahafantatra ny fivoaran’ny tetikasa sy ireo dingana manaraka mbola hatao tamin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Compagnie Générale d’Hydroélectricité de Volobe (CGHV).

Ny zoma teo, nanao jeritodika ny fivoaran’ny tetikasa tamin’ny filohan’ny Antenimierampirenena ny ekipan’ny CGHV. Hetsika ha­nohizana ny dinika amin’ireo tomponandraiki-panjakana samihafa. Tao anatin’izay, nanamafy ny fanohanany amin’ny hanatanterahana ny tetikasa ny filohan’ny Anteni­mieram­pirenena. Zava-dehibe hoy izy fampandrosoana ny fo­todra­fitrasa momba ny an­govo. Vo­nona hanohana ireo dingana manaraka ny Ante­nimieram­pirenena, araka ny andraikiny sy ny fahefana ananany. Ani­san’ireo Andrimpan­jakana mi­dinika sy mifanakalo hevitra tsy tapaka amin’ny tetikasa Volobe ny Anteni­mieram­pirenena. Ta­fiditra amin’izany ny Filoha Lefitra misahana ny Faritanin’i Toamasina, ny Vaomiera misahana ny angovo ary ireo solombavambahoaka voafidy ao amin’ny Faritra Atsinanana. Tanjona ny hizara vaovao momba ny fivoaran’ny tetikasa, handraisana soso-kevitra avy amin’ireo olom-boafidy. Hana­ma­fisana ihany koa ny fandrindrana ny lafiny ara-angovo, ara-toekarena, ara-tontolo iainana ary ara-tsosialy mifandraika amin’ny tetikasa.

Fifanakalozan-kevitra
Mbola hitohy ny dinika ataon’ny ekipan’ny CGHV amin’ireo tomponandraiki-panjakana samihafa sy ny vondrom-piarahamonina ary ireo mpisehatra rehetra voakasiky ny tetikasa. Fifanaka­lozan-kevitra mifototra amin’ny mangarahara sy ny fampitam-baovao tsy tapaka. Mi­kendry ihany koa ny handray sy hamaly ireo ahiahy sy soso-kevitra avy amin’ireo mpandray anjara. Tanjona apetraky ny tetikasa Volobe hatrany ny hanamafy ny famokarana angovo maharitra ho an’ny tombontsoam-pirenena.

Henintsoa

Partager sur: