Ambovombe: Nahazo famatsian-drano ny mponina

Nisitraka rano fisotro ma­dio ny mponina ao amin’ny disi­trikan’Ambovombe, faritra An­droy. Notokanana, omaly, ny fotodrafitrasa lehibe hanamafisana ny famatsian-drano any an-toerana. Tonga nanatrika izany ny filohan’ny Fana­vao­zana ny Repoblikan’i Ma­da­gasikara (PRRM), ny Prai­mi­nisitra ary ireo mpikambana maromaro ao amin’ny Gover­nemanta. Fametrahana fan­tsona mpitondra rano manana savaivo 180 milimetatra, mirefy 28 km eo ho eo, mampifandray an’Andranogoa sy Ambo­vombe ny tetikasa. Mponina 33 500 isa no kendrena hisitraka sy hahazo tombontsoa amin’izany. Tanàna 20 hahazo fanatsarana ny famatsian-drano. Mahatratra 400 m³ isan’­andro ny habetsahan’ny rano fanampiny vinavinaina ho azo amin’izany. Din­gana lehibe amin’ny fanatsa­rana ny fahazoana rano fisotro madio ity tetikasa ity. Efa fotoana ela no niandrasan’ny mponina any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara izao tetikasa izao. Tsy fotodrafitrasa fotsiny no resahina eto, fa filana fototra iankinan’ny fahasalamana sy ny fari-piainan’ny mponina.

Mino

Partager sur: