Misitraka ny vola tamberim-bidy noho ny fisian’ny fitrandrahana Nikel sy Cobalt ataon’ny orinasa Ambatovy ny distrikan’i Moramanga. Kaominina enina no voakasika ka anisany ny ao Moramanga ambonivohitra.
«Efa mpiara-miasa tao anatin’ny fotoana maharitra ny orinasa Ambatovy sy ny kaominina ambonivohitra Moramanga, amin’ny lafiny maro fa ny sosialy no tena misongadina », hoy ny ben’ny Tanàna, Ralaiarimalala Sylvain, omaly, tao amin’ny birao fiasany. Eo koa ny fandaharanasa iombonan’ ny kaominina enina voakasiky ny tetikasa. Misongadina ny sosialy ho an’i Moramanga, satria, maro amin’ny mpiasan’ ity orinasa ity no monina ao an-tampon-tanàna. Mahazo ny tamberim-bidy voafaritry ny lalàna ho anjarany ny kaominina na tsy ao anatin’ny toeram-pitrandrahana mivantana aza fa voakasika amin’ny ankapobeny, noho ny fiantraikan’ ny fisian’ny orinasa ao aminy.
Mahatratra 455 tapitrisa Ar mahery ny vola tamberim-bidy azon’ny kaominina, ny volana avrily lasa teo, araka ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana. Tetikasa ampiasana ny vola ny fanitarana ny birao iasan’izy ireo. Vokatra mivaingana ho tsapan’ny vahoaka ny fangaraharahan’ ny fitantanana. Teo aloha, tsy ampy ny fotodrafitrasa ka misy fakam-panahy hanao kolikoly madinika. Hanafoana izany ny fanatsarana ny tolotra omen any vahoaka, satria ho ampy ny trano sy ireo fitaovana ho an’ny mpiasa raikitra 90 mahery sy ireo mpiasa an-tselika, araka ny fanazavany ihany. Eo koa ny fanatsarana ny toeram-piantsonan’ny taksiborosy, miaraka amin’ny ampahan-dalana vitsivitsy eo an-tampon-tanàna amin’ny fokontany roa. Misy ampahan’ny vola hoentina mampihodina ny asa.
Eo am-panatontosana ny dingana momba ny tsenambaro-panjakana ny tomponandraikitra amin’izao. Efa nahazo fankatoavana ny « Plan de passation de marché » ka hiditra amin’ny fampahafantarana ny kaominina. Roa volana aorian’izay, handeha ny asa rehetra tandrify ireo tetikasa ireo.
Vonjy





