Tranoheva maherin’ny 250 no mandray anjara amin’ny andiany faha-27, « Salon international de l’habitat » (SIH). Nanomboka omaly, eny amin’ ny CCI Ivato, ary hitohy hatramin’ny alahady, ity hetsika karakarain’ny Madavision ity. Mifantoka amin’ny fanorenana sy ny famolavolana ny toeram-ponenana mifanaraka amin’ny filan’ny tokantrano ny SIH. Lohahevitra amin’ity taona ity ny hoe « Madagasikara mandroso: mamolavola sy manorina ny tontolo ho an’ny ampitso. « Mandrisika antsika hanana fomba fijery mivelatra ho an’ny hoavin’ny toeram-ponenantsika ny lohahevitra », hoy ny tale jeneraly lefitry ny Madavision, Andriatsitohaina Koloina, nandritra ny fanokafana ny hetsika. Tanjona ny hitondra vahaolana sy hampiroborobo ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra mba hananana toeram-ponenana mifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara. « Tokony hanana tontolo mendrika sy fotodrafitrasa ary tolotra mifanaraka amin’ny filan’ny mponina isika», hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany, Sambany Ruffin. Notohizany fa tokony hisy ny rafitra fanajariana sy manatsara ary mandrindra ny toeram-ponenana. Mivelatra amina velarana 22 000 m² ireo tranoheva, ahitana mpisehatra marolafy. Ankilany, maherin’ny 25 000 ny mpitsidika andrasana mandritra ny efatra andron’ny hetsika. Hisy ihany koa ny fihaonan’ireo samy mpandraharaha hamahavaha lohahevitra miaraka amin’ireo manam-pahaizana samihafa.
Henintsoa





