Tapaka taorian’ny dinika nataon’ny Ofisy malagasy misahana ny Akoranafo (OMH), ny Galana Raffinerie Terminal (GRT) ary ny Plateforme Terminal Pétrolier (PTP) fa hiditra amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny sambo lehibe Torm Eva, mpitatitra soliky ny Groupement Pétrolier Madagascar (GPM). Fepetra noraisina sy nihatra avy hatrany ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo. Tanjona ny hiantohana ny fitohizan’ny famatsiana solika eto amin’ny firenena. Nahemotra vonjimaika, araka izany, ny sambo Sunda One mba hanomezana toerana an’i Torm Eva ka hampidinany ny entany misy lasantsy (SP 95) sy ny solika fandrehitra (PL). Rehefa izay dia hiverina amin’ny toeram-piantsonana ny Sunda 1 mba hahafahany manohy ny fampidinana entany. Ankilany, mbola mitohy ny fandraisana andraikitry ny GRT sy ny PTP handrindrana ny asa rehetra araka ny tokony ho izy mba hiantohana ny famatsiana angovo eto amin’ny firenena. Tsiahivina fa samy nigadona tao Toamsina ny 12 aogositra teo ny sambo Sunda 1 nitondra soliky ny jirama mba hiantohana ny famokarany mandritra ny enim-bolana sy ny sambo Torm Eva, mpitatitra soliky ny GPM, mpamatsy solika eto amin’ny firenena.
Henintsoa




