“Coupe des Champions” : Hifampitsapa indroa miantoana ny FC Rouge sy ny CFFA

Mialoha ny handehanan’ireo solontena roa ho any Afrika, hanatanteraka lalao mandroso sy miverina, eo amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, amin’ity volana aogositra ity, ny FC Rouge, tompon’ny amboaran’i Madagasikara sy ny CFFA, tompondakan’i Madagasikara.

Ho fanohanana sy hanomanana tsara ny fifa­ninanana afrikanina, “Ligue des Champions Caf” sy ny “Coupe de la conféderation”, hanatanteraka fifanandrinana mandroso sy mive­rina, na ny ” Coupe des cham­pions” eny amin’ny CFFA Iavoloha, ny CFFA sy ny FC Rouge. Hetsika karakarain’ny klioba roa tonta, ary natao hiantsoana ireo mpankafy ny kitra malagasy mba hanohana sy hijery ity fihaonan’ny samy nahazo amboara ity. Ho an’ny fihaonana mandroso, hotontosaina ny alahady 23 aogositra ho avy izao. Ny 30 aogositra kosa ny fifanandrinana miverina, eny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha. Tsy misy idiran’ny resaka “Super coupe” izy ity raha ny fanazavana na­taon’ny mpikarakara, omaly. Hatramin’ny nanoratanay, tsy mbola namoaka ny vaovao mahakasika izany ny Fede­rasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Tsara marihina fa ny FC Rouge hifandona amin’ ny ekipan’ny Red Arrows Zam­bia, mandritra ny dingana voalohan’ny fiadiana ny ambo­aran’i Afrika ho an’ireo klioba. Ny CFFA kosa hifampitana amin’ny Lijabatho FC avy atsy Lesotho. Hatreto, tsy mbola fantatra ny toerana handrai­san’ny Malagasy ny lalaony, saingy raha ny siosion-dresaka mandeha, mety hatao atsy Maorisy na Afrika Atsimo na Kenya izany, amin’ny fihao­nana voalohany. Ampahafan­tarina fa ny lalao mandroson’ ireo fifanintsanana afrikanina ireo izay hotanterahina eo anelanelan’ny 4-6 septam­bara. Ny 11-13 septambra kosa ny lalao miverina.

Fitia Randria

Partager sur: