Norombahin’ny La Tamponnaise, ekipa misy an’i Nina, mpiandry tsatoby malagasy, ny tompondakan’i La Réunion, sokajy « Régional 1». Ny alahady lasa teo, resin’izy ireo, tamin’ny isa 2 no ho 0 ny FC Bagatelle Ste Suzanne. Tsiahivina fa hiatrika ny fihodinana fahavalo amin’ny fiadiana ny amboaran’i France ity ekipa ity.
Hotanterahina ny sabotsy 28 novambra ho avy izao, ao amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny “Trophées des champions 2026”, taranja volley-ball. Hiady izany, ho an’ny sokajy D1, vehivavy, ny Squad sy ny GNVB. Ny lehilahy kosa dia ny Cosfa sy ny GNVB. Ho an’ny U23, zazalahy sy zazavavy dia ny ASI sy ny GNVB.
Tsara fanombohana ny My-Sah Itasy nandritra ny andro voalohany niadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCOI 2026), taranja handball. Fihaonana tanterahina atsy Maurice. Resin’ ny My-Sah, tamin’ny isa 29 no ho 20, ny USBBRH. Ho an’ny lehilahy kosa, lavon’ny St Pierre HBC, 36 no ho 20, ny Littoral Sporting.





