Notontosaina omaly avokoa ny lalao ampahavalon-dalana sy ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe. Nandresy hatrany ny Malagasy rehefa nidona tamin’ireo firenena afrikanina toa an’i Algerie sy Sénégal. Tafita ary hiatrika ny manasa-dalana.
“Adin’ny samy afrikanina ”. Tafita hiatrika ny lalao manasa-dalana hotanterahina anio, ao amin’ny kianja Kheon Kan, Thaïlande, i Madagasikara, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ ny taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy. Hifanandrina amin’i Burkina Faso, ry zalahy amin’ izany. Fihaonan’ny samy afrikanina, izay midika fa tsy maintsy hisy ekipa afrikanina izany hiatrika ny famaranana. Raha hiverenana ny zava-bitan’i Madagasikara, omaly, nahintsan’izy ireo, tamin’ny isa 13 no ho 0, teo amin’ny dingan’ny ampahavalon-dalana i Alzeria.
Fihaonana izay tsy niady fa toy ny nanaovan-dry Lova sy Baloty ary Liva fanazaran-tena fotsiny ny Alzerianina. “Mène” dimy fotsiny dia ampy nanohizan’ny Malagasy ny lalany. Nampitaintaina sy nampitsaga-mitoetra hatramin’ny farany kosa ny ampahefa-dalana nikatrohana tamin’i Senegal. Resin’i Madagasikara tamin’ny isa tery, 13 no ho 12, ry zareo. Sahirana ry Lova sy ny namany satria nitarika hatrany i Senegal, ka voatery nosoloina an’i Tendry i Liva. Nanana fotoana tokony hamonoana i Senegal, saingy tsy nanao “carreau” ny kanetibe, natsipin’i N’Diaye ka 12 no ho 10 ny isa. Teo no tonga “point” indroa i Tendry ka nanahirana ireo senegale. Avy eo tsy nahavoa indroa rehefa nitifitra ary mbola nanala ny kanetiben-dry zareo teo aloha. Nitifitra i Lova avy eo ka “carreau”. Nanampy isa fotsiny i Baloty avy eo izay nahazoana ny fandresena. Ho an’ny manasa-dalana ilany, hifanandrina amin’i Thaïlande, tompon-jaridaina, i France. Lalao andrasan’ny rehetra fatratra.
Fitia Randria





