Raha lany filoha i Infantino : 108 miliara Ar isaky ny federasiona aty Afrika

Anisan’ireo niatrika ny fivoriambe ara-potoan’ny Caf, tany Nigeria, ny faran’ny herinandro teo ny filohan’ny Federasiona iraisam-pirenena ankehitriny, i Gianni Infantino. Nilaza izy fa hanohana sy hikatsaka mandrakariva ny fampivoarana ny taranja baolina kitra eto Afrika.
Nisongadina tamin’izany ny fampiakarana ny tohana ara-bola ho 25 tapitrisa dolara na 108 miliara Ariary isaky ny federasiona raha mbola ho voafidy hitantana ny Fifa in­dray ny tenany, ka hanomboka ny taona 2027 no hihatra izany. Tsiahivina fa 4 tapitrisa dolara na 17 miliara Ariary ny fanampiana azon’ireo Fede­rasiona tamin’ity fe-potoam-piasana ity.
Marihina fa ny fivoriambe ara-potoana sy hifidianana an’izay ho filohan’ny Fifa dia hotanterahina ny 18 marsa 2027, any Rabat Maroc. Ankoatra an’i Gianni Infantino, nirotsaka ho kandidà hifanintsana amin’izany koa i Philippe Diallo, mpitantana ny Fede­rasionin’ny baolina kitra frantsay (FFF) sy ny filoha am-boninahitra ny rafitra federalin’ny baolina kitra japone, i Koh­zo Tashima.
Ampahafantarina koa fa anisan’ireo nanatrika ity fivoriambe tany Nizeria ity ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred.

Fitia Randria

Partager sur: