Nomena fiofanana tamin’ity herinandro ity ireo mpitantana tobim-panafody mpikambana matihanina (Gpromm) ao amin’ ny faritra Ihorombe. Mikendry ny fanatsarana ny kalitaon’ny varotra sy ny fanafody ary ny fitahirizana izany mba tena hitondra fahasalamana ho an’ny mpanjifa ny hetsika.
Voalohany izao no nisy fampiofanana toy izao tao anatin’ ny faritra Ihorombe. Afaka nisitraka izany avokoa ireo dépositaire des médicaments ara-dalàna rehetra manodidina ny 37 isa. Tanjon’ny Gprodmm amin’ny fanomezana fampiofanana tahaka izao ny fanamafisana ny traikefa ho an’ireo mpitantana tobim-panafody. Hahafahana miady amin’ny varotra fanafody tsy manara-dalàna izay loza mitatao ho an’ny fahasalamam-bahoaka ihany koa izany.
Mila arovana ny asa ary atao araka ny tokony ho izy, manaja ny lalàna velona, mba tsy hifangaro amin’ireo mpisandoka sy manao varotra eny anelakela-trano.
Tena ilaina ho an’ireo any ambanivohitra, lavitra dépôt de médicament ahitana ireo karazam-panafody fototra ilaina amin’ny trangan’aretina matetika miseho.
Hitohy hatrany ary hitety faritra maro manerana ny Nosy izany fampiofanana izany.
Tatiana A




