ISA Systems Week 1.0 : Hanasongadinana ny tetikasan’ny mpianatra

Tanterahina ny 18 hatramin’ny 22 aogositra ny hetsika ISA Systems Week 1.0 karakarain’ny mpianatra avy ao amin’ny mention Ingénierie des systèmes avancés ao anatin’ny Sekoly ambony politeknika Antananarivo, eny Vontovorona. Ho fampahafantarana ny zavatra vitan’ny mpianatra mandranto fahalalana ao izany. Manana sampam-piofanana roa ny ISA dia ny Mécatronique sy ny Sci­ences cognitives izay misa­hana momba ny robotika, ny “automatique” sy ny informatika ary ny teknolojia. Niforona ny taona 2016 ny ISA ary mpianatra manana ny mari-pahaizana licence noraisina avy amin’ny onivesitem-panjakana no afaka mandrato fianarana ao. Miara-miasa amin’ ny orinasa maro izy ireo fa notsongaina ho an’ity hetsika ity ny Orange Digital Center (ODC), noho ny fananany « laboratoire spécialisé ». Hahazoan’ny mpianatra ma­na­tanteraka tetikasa avy amin’ny fahalalana azony tany am-pianarana ka havadika ho tetikasa ao anatin’ny FabLab. Haseho ao amin’ny ISA Sys­tems Week 1.0 ny vokatra azo mba ho liana ny mpianatra hafa amin’ny fanatanterahana tetikasa, araka ny fanazavan’ ny tale mpisolo toerana ao amin’ny ESPA, Rasolo­ma­nana Jean Fanome­zan­tsoa. Mampivondrona ny mpi­a­natra, mpampianatra mpi­karoka, orinasa sy mpisehatra amin’ny teknolojia ny hetsika eny Vontovorona. “Vonona hatrany ny Orange Madaga­scar, amin’ny alalan’ny ODC, hanofana ny tanora amin’ny haivao sy ny fampandrosoana ny fifehezana ny niomerika eto amintsika”, hoy ny talen’ny ODC, Andrianalison Lalaina Nomentsoa.

Vonjy

Partager sur: