Tontosa omaly ny fanofakana ny fankalazana ny faha-135 taona ny hopitaly miaramila (CenHoSoa). Nambaran’ny mpanolotsaina avon’ny Fanavaozana, ny Jly Zafitasondry Marcellin, fa tsy misy firenena handroso raha tsy salama ny vahoaka ao aminy.
Fanompoam-pivavahana tao amin’ny trano fivavahana katolika ao amin’ny CenHoSoa no nanokafana ny faha-135 taona ity hopitaly ity, omaly. Narahin’ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny tsangambato manamarika izao tsingerintaona izao, teo amin’ny tany malalaka manoloana ny trano fivavahana izany. Araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny hopitaly, ny Jly Ratovondrainy Willy, nandalo dingana maro ny hopitaly talohan’izao nahatrarany ny faha-135 taona izao ary manana ny mampiavaka azy manokana raha mitaha amin’ ireo hopitaly hafa, indrindra aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Teny filamatry ny fankalazana rahateo ny hoe: « hambompo, fanavaozana sy fahasalamana ho an’ny rehetra ». Nangataka tolo-tanana amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fanjakana malagasy ity manamboninahitra jeneraly ity mba hiara-kisalahy amin’ny fanohanana ara-pitaovana ny hopitaly, toy ny fametraha ny « imagérie par résonnance magnétique » na IRM.
Hopitaly mitsinjo ny maha olona
Nohamafisin’ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Razafitombo Maminirina Ely, fa loza lehibe navelan’ny tantara eo amin’ny sehatry ny fahasalamana eto amin’ny firenena ity toeram-pitsaboana ity ary tsy nitsahatra nivoatra sy nihatsara izy ity na teo aza ny sedra maro nolalovany. Nambaran’ny Mpanolotsaina avon’ny Fanavaozana, ny Jly Zafitasondry Marcellin fa anisan’ny nampiavaka sy nahafantarana ity hopitaly ity ny fampivondronana ny fahaiza-manao ara-miaramila sy ny traikefa avo lenta eo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Mampihatra sy mampifandray izany sehatra roa izany ity toerana ity mba hiara-kiasa sy hifameno ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy iray manontolo. Nampiavaka ny CenHoSoa hatramin’izay koa ny fahaiza-mitsinjo manokana ny maha olona sy ny fandraisana ireo marary. Tsy nitsahatra nanatsara sy nampivoatra hatrany ny kalitaon’ny fitsaboana koa ny hopitaly tao anatin’izay 135 taona nisiany izay. Nanotrona ny fotoana, omaly koa, ny mpanolotsaina avon’ ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Rampanarivo Thierry sy ny Kly Andriamiharisoa Gervais, niaraka tamin’ ireo minisitra mpikambana ao amin’ny governemanta.
Jean Claude




