Niaiky heloka ho anisan’ny nandray anjara tamin’ny famonoana ny namany tao Toamasina ny lehilahy iray 19 taona, nandritra ny famotorana nataon’ny mpitandro filaminana azy. Olona telo no niaraka nanatontosa io vonoan’olona io ka karohina ny roa, araka ny fanazavan’ny zandary miasa eo anivon’ny sampandraraha misahana ny fikarohana heloka bevava izay misahana ny famotorana. Tsy olon-kafa, naman’ilay lehilahy hita faty ihany ity voasambotra tao Toamasina ity. Tratra teny aminy ny fitaovana toy ny Tablette fampiasan’ilay lasibatra. Raha tsiahivina, hita faty tao amin’ny trano fonenany, tao amin’ny fokontany Dépôt IV, Toamasina, ny lehilahy iray 34 taona, ny 13 aogositra lasa teo. Tsatok’antsy telo no hitan’ny mpitsabo nizaha ny razana tamin’ny vatany. Nokarohina nanomboka ny 11 aogositra izy saingy tsy nahitam-baovao. Nanapa-kevitra hanokatra ny tranony ny mpitandro filaminana, kanjo, hita faty ity farany. Nanjavona ny vola 2 tapitrisa Ar tao aminy, araka ny loharanom-baovao.
Tsiferana R.




