Telo andro taorian’ny fahitana ny vatana mangatsiakan’i Haingotiana sy Stephanie teny Andranomatsatso, kaominina Ambohimanga Rova, ny alahady atoandro teo, miisa efatra ireo olona efa voasambotra, voarohirohy tamin’ny famonoana azy ireo roa vavy ireo. Voasambotra ny alahady hariva ihany ny roa tamin’izy ireo, raha ny fanazavana voaray tamin’ny fianakavian’ny maty. Voalaza, tamin’izany, fa naman’izy roa vavy ireo ihany ny sasany tamin’ireo olona voasambotra ireo. Efa miatrika fanadihadiana eny amin’ny mpitandro filaminana ireto farany. Marihina fa miara-manao ny famotorana mahakasika io raharaha io ny Zandarimaria, Brigade Ambohimanga Rova sy ny Polisim-pirenena, Brigade criminelle Anosy.
Tsiahivina fa hita faty teny Ambohimanga Rova, ny alahady atoandro, ny tovovavy 17 taona sy 21 taona. Novonoina tamin’ny alalan’ny zava-maranitra izy ireo, nodidiana ny tendany. Norasaina tamin’ny antsy ny tendan’ i Stephanie ary notsatohana indimy tamin’ny antsy kosa ny tendan’i Haingotiana. Nanomboka tsy hita izy roa vavy ny marainan’ ny zoma 21 aogositra lasa teo. Tsy nisy tratra antso tamin’ny finday avokoa izy ireo taorian’izay. Nametraka fitarainana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny fianakaviana ary niroso tamin’ny filazana fikarohana.
Mino




