Hifarana anio, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny foaraben’ny fahasalamana iraisam-pirenena izay hetsika niatomboka ny talata lasa teo, nokarakarain’ny Adventist World Radio (AWR), notarihin’ ny filohany, Jim Howard, mpanao asa fanompoana maneran-tany. Mifototra amin’ny fanakaikezana sy ny fanamorana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka ny tanjona. Mandritra izany, misy ny tolotra maimaimpoana fanamboarana nify, fitiliana maso sy fizarana solomaso, fanentanana sy fampianarana fomba fiaina ara-pahasalamana. Eo koa ny fitsaboana zaza, fanaraha-maso ny vehivavy bevohoka, échographie. Misy koa ny fitiliana diabeta, homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza ary ny VIH. Ankoatra izay ny fizarana fanafody maimaimpoana.
Mifanaraka amin’ny laharam-pahamehan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ity hetsika ity satria tafiditra ao anatin’ny paikady fisorohana sy fitsaboana. Misy koa ny fizarana traikefa ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana, hanamafisana ny fahaiza-manao. Nanana solontena nandritra ny fanokafana ny primatiora, tamin’ny alalan’ny mpikambana eo anivon’ny kabinetra misahana ny diplomasia sy ny fifandraisana iraisam-pirenena, Ranaivoarisoa Rojo.
« Manamafy hatrany ny minisiteran’ny Fahasalamana fa zava-dehibe ny fiaraha-mientana amin’ireo mpiara-miombon’antoka hahafahana mamaly amin’ny fomba mahomby ireo filana ara-pahasalamana, ny fanakaikezana ny tolotra ara-pahasalamana
amin’ny vahoaka, ny fisorohana ny aretina ary ny fanatsarana ny kalitaon’ny fitsaboana, hoy ny sekretera jeneraly », Dr. Randrianambinina Ephraïm Stephanson.
Vonjy




