Nizara vaovao ny tale misahana ny maha olona eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Rakotondrina Volafelana Marinah. Nambarany ny momba ny fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpianatra nivoaka teny amin’ny Ecole normale supérieure (ENS) andiany faharoa. Misy olona mahatratra 211 voakasika ka eo am-pikirakirana ny fifanarahana arakasa ny DRH ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ary efa nalefa visa eny anivon’ny minisitera mpiara-miasa izany. Hahazo « notification » ireo izay vita ny fifanarahana arakasany. Ho an’ny fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo ENF (Enseignant non fonctionnaire), efa mandeha ny ampahibemaso amin’izao fotoana izao. Tanteraka amin’ny 50% izany, mbola misy kosa no tsy nahavita ny azy. Ireo efa nahatontosa ny azy kosa ka nahatonga ny antontan-taratasy eny amin’ny DHR, miroso amin’ny fikirakirana ny fifanarahana arakasa avy hatrany ny tomponandraikitra, ary hahazo izany ireo nahazoana visa.
Ho an’ny fandraisana taona 2026, havoakan’ny tomponandraikitra tsy ho ela ny lisitr’ireo voafantina hanaraka ny fiofanana proximité ary hanaraka ny fifanarahana arakasa.
Vonjy




