Tarika Rebika: Handahatra hira 70 mahery!

Tarika anisan’ny manana mpamoron-kira maro ny Re­bi­ka. Manahirana azy ireo hatrany ny fisafidianana izay hira halahatra, indrindra re­hefa fampisehoana goavana. “Ho lava dia lava ny fampisehoana, satria hira tsy latsaky ny 70 no hataonay, izany aza ahina misy mbola andrasan’ny mpa­nkafy tsy voalahatra ao”, hoy ny nambaran’i Nix, omaly. Mandritra ilay fampisehoana hotontosain’ny tarika Rebika, ny alahady 30 aogositra izao, etsy amin’ny Kianjan’ny sekoly Esca Antanimena io. Tonga nijery ny fanombohan’ny fanomanana ny tarika, no nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety.
“Efa mandeha tsara ny fanomanana, indrindra avy aty aminay. Ny lafiny ara-teknika efa narindra hifanaraka amin’ ny hangezan’ny fampisehoana”, hoy ny nambaran’i Rivo. Ani­san’ny nahafaly ny mpankafy ny tarika tato ho ato ny nahi­tana azy indray niaka-tsehatra, rehefa niato fotoana ela­ela. “Io ihany ny fampisehoana goavana ankalamanjana eto Antananarivo amin’ity taona ity”, hoy kosa i Nix, izay efa eto an-tanindrazana hiatrika izany. Nanamafy i Heritiana fa sarotsarotra kokoa ny fahitan’ izy ireo fotoana iarahana toy izao, kanefa natao ambony
ny fangatahan’ny mpankafy. “Fanamby hafa indray ho anay ny eto amin’ity toerana ity. Efa maro no niarahana tamin’ny tarika Rebika ary nety foana izany, ka hatsa­raina hatrany”, hoy kosa ny mpikarakara avy ao amin’ny Lax Pro.

Zo ny Aina

Partager sur: