Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy U16, zazalahy, ny Ascut Atsinanana ary ny Fandrefiala no teo amin’ny zazavavy. Tontosa ny alahady teo, tany amin’ ny Kianja mitafon’ Amoron’i Mania, ny famaranana teo amin’ity fifaninanam-pirenena ity. Samy nandresy ny ekipan’ ny St Michel avokoa ireto ekipa ireto, nandritra izany. Ho an’ ny zazalahy, lavon’ny Ascut tamin’ny isa 54 no ho 36 ireo mpifanandrina taminy. Nitarika an’isa hatrany ireo mpilalao avy any Atsinanana. Teo amin’ny 10 mn voalohany, nitarika tamin’ny elanelana 10 no ho 5 izy ireo. Nanatombo teo amin’ny fifehezana ny kianja, na tamin’ny fanafihana na teo amin’ny fiarovantena ny Ascut. Nananosarotra tamin’ireo mpilalaon’Amparibe ny fangalana ny “rebond”. 22 no ho 12 ny isa teo am-pialantsasatra. Fizaram-potoana fahatelo, mbola nitarika hatrany ry zareo avy any Atsinanana ary tsy nijanona raha tsy tany amin’ny fahataperan’ny fe-potoana fahefatra farany.
Teo amin’ny zazavavy indray, resin’ny Fandrefiala tamin’ny isa 64 no ho 59 ny zazavavin’ny Masina Misely. Fihaonan’ny samy Analamanga ny azy ireo, izay efa mifankahalala tsara.
Mitohy amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena, sokajy U20, lahy sy vavy indray ny fandaharam-potoana. Nanomboka ny alahady lasa teo ka hatramin’ny 6 septambra ho avy izao ity fihaonana tanterahina any Matsiatra Ambony ity.
Tompondaka




