Anosizato Andrefana: mpivaro-kena voaroba 18 tapitrisa Ar

Lasan’ny jiolahy roa tsy nisaron-tava ny vola mitetina 18 tapitrisa Ar, teny Anosizato Andrefana, omaly maraina. Voam­bana antsy ilay mpivaro-kena haka entana vao ma­raina. «Nisy nanaraka izy rehefa handeha haka entana any Ampahitra, tamin’ny 4 ora sy 20 minitra maraina», hoy ny fanazavan’ny zandary. Nitondra antsy ireo mpandroba. «Nisintona ny sakaosy nisy ny vola ireo olon-dratsy rehefa tonga teo amin’ny toerana iray fivarotam-biriky», araka ny fanazavana voaray. Niezaka nanohitra hatramin’ny farany ny tompon’ny vola saingy tsy nahatohitra. Voaroba koa ny finday miisa roa teny amin’ilay lasibatra. Naratra nandritra ny fanoherana izy.
Nanapoaka petara, izay noheverin’izy ireo fa basy, ireo olon-dratsy, raha ny fanazavan’ny mponina. Niezaka niantso vonjy tamin’ny manodidina ilay raim-pianakaviana niharan’ny fandrobana. Tsy afa-nanao na inona na inona intsony ireo nanatri-maso, efa nanao tari-dositra ny mpanafika. Nidina ifotony nanao fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Efa mandeha ny fikarohana ireo jiolahy.

Tsiferana R.

Partager sur: