Natsangana ny 22 desambra 2025 ny komity mpitantana misahana ny fanatanterahana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Etazonia eo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Notanterahina omaly ny fivorian’izy ireo voalohany izay mifantoka amin’ny famaritana ireo laharam-pahamehana sy ireo hetsika tokony horaisina hanamafisana hatrany ny rafi-pahasalamana eto Madagasikara. Haharitra dimy taona ny fifanarahana fiaraha-miasa ka 175 tapitrisa dolara no hatokana amin’ny fanatanterahana ireo asa voafaritra ao anatin’izany. Mihoatra ny 134 tapitrisa dolara ny fanampiana avy amin’ny governemanta amerikana ary 41 tapitrisa dolara kosa ny fandraisana anjaran’ny governemanta malagasy. Mifantoka amin’ny fanamafisana ny rafitra fanaraha-maso sy fiatrehana ny aretina, ny fanatsarana ny rafitry ny laboratoara, ny fitantanana sy fandrindrana ny rojo famatsiana fanafody sy fitaovam-pahasalamana izany. Eo koa ny fanamafisana ny fahaizan’ny mpiasan’ny fahasalamana eny ifotony, ny fitantanana sy fampiasana ny angondrakotra ara-pahasalamana, ny fampiasam-bola stratejika ary ny fanohanana ara-teknika ny fiaraha-miasa.
Hivory isaky ny telo volana io komity io hanara-maso akaiky ny fandrosoan’ireo asa sy hahafahana mandray haingana ireo fepetra ilaina.
Vonjy




