Seha-pihariana afaka mitondra fampandrosoana ny fiompiana. Ilaina ny fanatsarana ny rojo-pihariana miainga any amin’ny famokarana miafara any amin’ny lalam-barotra.
Manana anjara lehibe amin’ny fanjarian-tsakafo ny sehatry ny fiompiana. Nambaran’ny minisitry ny Fiompiana (Minel), Randrianomenjanahary Riana Nantenaina, ny alakamisy teo, nandritra ny fanokafana ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono (FIA), andiany fahavalo, sady Foara iraisam-pirenena ho an’ny fandrahoan-tsakafo (FIG), fa misehatra amin’ny fiompiana avokoa ny 70% ny tantsaha malagasy. Manome asa ny tanora sy ny mponina eny ambanivohitra io sehatra io. Koa, mila atao tena asa fihariana izany fa tsy vadin’asa intsony.
Mizara roa ny sehatry ny fiompiana. Voalohany, ireo misehatra amin’ny famokarana sakafo ho an’ny biby fiompy. Ahitana ny fambolena vilona, katsaka, voanjo, soja, ny famokarana trondro maina hatao sakafom-biby, sns. Faharoa, ny fiompiana hampidiram-bola, toy ny kisoa, akoho, omby hohanina na hakana ronono sy ny fanodinana hafa.
Ho an’ny minisitera, ifantohana ny fanohanana ireo mpisehatra, amin’ny alalan’ny fanofanana sy ny fananganana tetikasa iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka. Manamafy ireo ny fitsinjovana ny lafiny fahasalaman’ny biby, amin’ny alalan’ny fanafody iadiana amin’ny kantsetsitra, ny vaksiny,…
Aondrana any ivelany
Zava-dehibe ifantohan’ny minisitera koa ny fijerena manontolo ny rojom-pihariana. Misy, ankehitriny, ny tetikasa andrana tanterahina any atsimon’ny Nosy, iarahana amin’ny ONG Bel Avenir, hanatsarana ny taranaka osy sy ondry eto an-toerana. Hampiharina ny fampanarahana enti-tanana, (insémination artificielle) amina karazana tsara. Rehefa ampy ny eto an-toerana, azo atao ny manondrana osy sy ondry tsara karazana any ivelany. Voahaja ny fihaviana sy ny mombamomba ny biby tsirairay. Hifantohana koa ny hanondranana tantely any ivelany.
Njaka Andriantefiarinesy




