Hiova ny rafi-pampianarana manomboka amin’ity taona ity. Mangataka ny haenomrana izany ny sekoly tsy miankina. Tampoka loatra ny fanovana, araka ny nambaran’izy ireo.
Nanatitra taratasy teny amin’ny Dren Analamanga, Nanisana, omaly, ireo fivondronan’ny sekoly tsy miankina eto Analamanga, nahitana ny sekoly FJKM, ny Katolika, ny FLM ary ny Anglikana sy ireo maro hafa. Nitaky ny hampiatoana na hanemorana ny fampiharana ny fanovana ny rafi-pampianarana kasaina hatao amin’ity taom-pianarana 2026–2027 ity izy ireo. Anisan’izany ny fanafoanana ny sokajy A-C-D ka hosoloina ny sokajy L, S ary OSE. «Tsy sanatria hanafoana ny décret efa nivoaka fa mitaky amin’ny tomponandraikitra sao tsy mety izao fanapohana izao», hoy ny Mompera Rajaonarivo Alexis, Talen’ny Fanabeazana diosezianina katolika Antananarivo. Nohamafisiny fa tokony hatomboka any amin’ny kilasy fahafolo izany fa tsy tonga dia tapohana ny kilasy famaranana, raha tsy maintsy hatao ihany. Faharoa, takin’izy ireo ny hirosoana amin’ny fifampidinihana amin’ny fandaharam-pianarana vaovao, mialoha ny handraisana fanapahan-kevitra farany. « Tsy mbola niomana tamin’izany mihitsy ny sekoly tsy miankina ary tsy mbola nisy ny fifampiresahana mazava », hoy kosa ny Mgr Randriamampandry Wagner, Vikera jeneraly eto amin’ny Arsidiosezy Antananarivo. Nambaran’izy ireo fa misy zavatra maro nesorina sy vaovao nampidirina ao anatin’izany. « Zavatra tena ilaina amin’ny maha Malagasy mihitsy no tena nesorina toy ny tantaran’ny fanjanahantany, izay mampitombo ny hambopom-pirenen’ny ankizy, hiaro sy ho tia ny tanindrazany », hoy ihany izy. Efa tafapetraka ny taratasy mirakitra ireo fitakiana ireo saingy tsy nisy ny tomponandraikitra afaka nandray ireto solontenan’ny sekoly tsy miankina ireto.
Mino




